<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>485</hymn_number>
<title>Moa Jesosy ve tsy ahy? FFPM485</title>
<lyrics>[V1]
 Moa Jesosy ve tsy ahy ?
 Andriamanitra mahery
 Koa nahoana no hanahy
 Izy miambina mijery.
 Fahavalo na dia maro
 Tsy mba mahakasika ahy
 Izy no ampinga miaro
 Koa izaho tsy hanahy.

[V2]
 Moa Jesosy ve tsy ahy ?
 Ilay Mpanolotsaina hendry
 Koa tsy kivy fa ho sahy
 Amin-java-tsoa kinendry.
 Tsy manaonao foana
 Fa tarihin-Kapiteny.
 Tsy manahy satria nahoana ?
 Ao ny saina izay nomeny.

[V3]
 Moa Jesosy ve tsy ahy ?
 Ilay Jesosy mahagaga,
 Mpanasitrana, Mpitahy
 Ka ahoako izay hitranga ?
 Ranomasina aza tao,
 Nampagininy ka tony ;
 Hainy mihitsy ny manao
 Hahatò ny sitrapony.

[V4]
 Moa Jesosy ve tsy ahy ?
 Rain'ny mandrakizay, eny !
 Velon-toky ny fanahy
 Izay nekeny , novonjeny,
 Koa na ory sy mijaly
 Aza aho etý an-tany,
 Vetivety dia hifaly :
 Mampaninona izany ?

[V5]
 Moa Jesosy ve tsy ahy ?
 Ilay Andriampiadanantsika,
 Andriamanitra Mpiahy,
 Fitahiana feno hika.
 Famonjena efa vita
 Hofikiriko hatrany,
 Fahasoavana hampita,
 Any am-paradisa any.</lyrics>
</song>